Lettres de Lémurie : Soamiely Andriamananjara, Tantaraiko anao
27 juin 2017 - CulturesNo Comment   //   2261 Views   //   N°: 89

« … Il y a un autre monde dehors qui est à nous aussi »
Harlem, Eddy Harris

Soamiely Andriamananjara, Tantaraiko anao,
Amboara sombintantara, RanjaSoa Publishing, Antananarivo, Washington D.C. (USA), 2017, 160p.

En ce mois de la langue malgache, un bel ouvrage d’un auteur contemporain, si ce n’est du plus contemporain de nos auteurs. Les scènes de vie vivent sous sa plume et sa langue vit de notre quotidien.

Après Soratsarotra, un premier recueil de nouvelles paru en 2015, et un recueil de poèmes Volana sy Vinany l’année dernière (car il est aussi poète et, selon une tradition bien établie, il s’est donné un autre nom Soanampoinimialy pour signer sa poésie ;-), Soamiely Andriamananjara revient avec un ouvrage à la pointe de la littérature malgache.

Avec la maison d’édition RanjaSoa Publishing, il publie la littérature qu’on ne peut que qualifier de nouvelle vague. Ainsi, Eritrelatra, un recueil de poèmes de Volatiana Rahaga ou la dernière nouvelle de Môssieur Njo, Lisy Mianjoria (2016) ou encore Bekintana de Hajaina.

Il vient de créer également avec les surfeurs de cette vague la revue littéraire Tsarasoratra.

Mandala haisoratra ary miondana literatiora ndriamatoa.

Dia taominy ianao hitia ny tiany ary lalaoviny ny tantara na ny hira samihafa, hampifanenany, hanoratany ny tantara tiany ho tantaraina. Misy sombintantara iraikambinifolo ao, hanarahanao ny fikorianan’ny rano tsy manava-doharano nipoirana ao antsahanalamin’i Soamiely, hampitsiky, hampiravo, hampitokelaka, hampiovitra na hampieritreritra anao.

Milalao sary be mihitsy izy, mampiasa teny an’ohatra koa ny antsoina hoe tohi-daza. Vitany ny milaza hoe « eny » nefa « tsy » no rentsika mpamaky. Tsy milamina tokoa mantsy i Antsahamilamina.

Manoratsarotra eny izy, eny tsy manaiky ny efa efa, ny voahomana, ny voatsakotsako. Tsy mampisalasala azy ny mampiasa teny fandre eny rehetra eny ka manarakandro ny sorany, velona izay tsizy. Ny tena mahatalanjona ato amin’ity asa-soratr’i Soamiely vaovao ity mantsy dia ny fiteniny.

« Miomana ianareo mi-deux, fa gravy be ity orana ity ! », hoy izy.

Tsikarintsika rehetra amin’izao fotoana izao ary tsindrian’ny mpikaroka, toa an-dRasoloniaina Brigitte, fa rehefa miteny isika dia miteny vary aminana matetika[*]. Indrindra isika an-tanàn-dehibe. Fa na izany aza, na misy toa fanerena tsy hiteny malagasy madio aza, na misy fahaterena koa tsy hiteny frantsay mangarangarana dia mikoriana tsara ny resantsika. Mifankahazo tsara isika. En général an !

Tsy misalasala i Soamiely hitondra sora-baovao manaraka ny fitentsika amin’izao vaninandro izao. Ao amin’ilay sombintantara Taratasy ho an’i Gaspard no tena anehoan’i Soamiely izany. Tsy ilay teny malagasy madio, voavolavola tsara tsy misy tomika, voarakitra mahazatra anaty boky mantsy no soratany (na hainy aza ny manao hoatra izay) fa ilay teny kinto hiresahantsika ankehitriny. Tsy misy ambahamba.

Jereo ange : « Nifanena teny an-dalana izaho sy i Marco indray maraina il y a telo andro de cela. Izaho moa handeha hiasa any amin’ny studio, izy nisosososo tsy haiko hoe ho aiza. Handeha hamonjy bizina na hisotro toaka any amin’ny hotely angamba izy. Enfin, bref. De quoi je me mêle ? »

Misy ny hanameloka eto na dia ny zava-misy ihany aza no entin’i Soamiely anaty boky ary arahako etoana. Fotoana mihitsy izao hiresahana ny fitenintsika.

Hoy ny teny malazan’i Di : Andrianiko ny teniko, ny any hafa koa feheziko. Teny zary lasa fiteny ka vitsy ny mampatsiahy ny niaviany. Teny zary teny piliavava fotsiny nefa matetika. Ny fihetsika asehon’ny maro, ny akamaroan’ny avara-pianarana, hoy i Soamiely, sa ny antsoin’i Randja Zanamihoatra hoe Malagasy Mankany, dia toa manandriana tanteraka ny teny vahiny.

Eo andanin’izany, raha tiana hifandraika amin’ny fiainana ny boky, dia mila hampihavanina ny soratra sy ny fiteny.

Finaritra aho mahita an’i Soamiely mandray andraikitra. Maka risika mihitsy. Mampirehitra afo. Ny teny hono toy ny kitoza ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony.

Iarahantsika mianoka hatrany anie ny haisoratra !

[*] Brigitte RASOLONIAINA, Les mots du grand marché : malgache standard et parler vakinankaratra. Pratiques et représentations linguistiques au marché Sabotsy, Antsirabe, Madagascar, éditions KomEDIT, Comores, 2016, 238 pages.

COMMENTAIRES
Identifiez-vous ou inscrivez-vous pour commenter.
[userpro template=login]