Ny volana jona, ankoatry ny maha volan’ny fetim-pirenena azy, dia volan’ny teny malagasy ihany koa. Ny teny malagasy dia teny niaina fivoarana maro. Teo anelanelan’ny taonjato faha-11 sy faha-13 no nitondran’ireo mpihavy Arabo ny soratra voalohany teto Madagasikara, izay sora-tànana avokoa, ka nantsoina hoe Sorabe. Tao Vohipeno, ao amin’ny faritra Fitovinany, no nahitana izany. Vitsy ny Malagasy mahafantatra ireo asa soratra ireo. Araka ny voalazana’i Philippe Beaujard, ao amin’ilay boky « Ny rakintsoratra arabo-malagasy (Sorabe) antanin’Antemoro », ny Sorabe dia voasokajy ho soratra masina, ampiasaina noho ny heriny mahagaga. Izy ireo dia fitambarana raki-tsoratra avy amin’ny Korano, ahitana ihany koa rakin-tsoratra mahakasika ny faminaniana, ny fitsaboana, ny tantara sy ny kolon-tsaina. Hatreto dia olona vitsy sy voatsonga no heverina fa manana ny fahafahana mamaky ireo raki-tsoratra ireo. Nanomboka tamin’ny fihavian’ny litera latina, tany amin’ny taon-jato faha-19, dia lasa nosoratana nanaraka izany ny teny malagasy. Tsy nampianarina an-tsekoly ny Sorabe hatreto ary vitsy dia vitsy ny fikarohana mahakasika azy. Azo lazaina kosa anefa fa taratry ny fisian’ny kolon-tsaina mafy orina ny fiasian’ny Sorabe. Ao amin’ny tsisy kabary® amin’ity volana ity (p.52) dia ahitana soritra ny tantaran’ny Sorabe izay nataon’ny mpikaroka vaovao an-tsary Libanay Toni Haddad.
NOCOMMENT TV
no comment® madagascar - interview - EMY GA - styliste - nc 122
Emy Ga a déboulé dans le monde de la mode comme une météorite. En un seulement, cette styliste de 21 ans, originaire de Toliara, a enchainé les défilés et est devenue une référence dans le milieu du fashion. Si certains se servent de leurs mots pour raconter une histoire, Emy Ga utilise ses créations pour se livrer.
Ho Nofy Ihany (Rien qu'un rêve), l'exposition photographique de Mahefa Dimbiniaina Randrianarivelo, lauréat de la 6e édition de PARITANA du 11 avril au 27 mai à l'IFM à Analakely.